Hotanterahina anio, any Frantsa, ny andro faharoan’ny vondrona « A », amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Rugby Cup 2023”. Anisan’ireo lalao heverina ho toy ny famaranana kely ny fihaonan’ny All Blacks, Nouvelle Zélande sy i Namibie, solontenan’i Afrika. Tsiahivina fa ny ekipan’ny All Blacks, lavon’ny XV Bleus France, tamin’ny isa 27 no ho 13, ny zoma 8 septambra lasa teo.
Ny ekipam-pirenena namibianina, nomontsanin’ny Italiana, tamin’ny isa mavesatra 52 no ho 8, ny sabotsy 9 septambra lasa teo. Hatramin’izao, ireto ekipa roa ireto no mitana ny laharana roa farany ao amin’ity sokajy ity, raha toa ka i Italia no voalohany ary faharoa i Frantsa.
Marihina fa indroa nihaona ny roa tonta ary azon’i Nouvelle Zélande avokoa ny fandresena tamin’izany. Ankoatra izay, notontosaina omaly alina, ny fihaonana teo amin’i Frantsa, mpampiantrano sy i Uruguay. Tsara ny mampahafantatra fa ity fifaninanana ity izay haharitra iray volana mahery, ny 8 septambra – 28 oktobra ho avy izao. Ny ekipan’ny Springboks no tompondaka farany, tamin’ny taona 2019, izy ireo izay nandresy an’i Ecosse, tamin’ny isa 18 no ho 3, ny alahady 10 oktobra lasa teo.
Fitia