Tetikasa G3D : vita ny fanadihadiana siantifika ny hazo sarobidy

Voasokajy ho hazo sarobidy mitondra ny anarana siantifika « Dalbergia » ny voamboana sy ny andramena. Sokajiana ho « Diospyros » kosa ny volombodimpona na misy milaza koa hoe hazomanga (bois d’ébène).

Vita ankehitriny ny fanadihadiana lalina ara-tsiantifika mikasika azy ireo, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Fitantanana maharitra ny Dalbergia sy ny Diospyros (G3D)”, novatsian’ny Von­drona eoropeanina (UE) vola, ao anatin’ny fandaharanasa “Rindra”, avy amin’ny Fed andiany faha-11. Nampaha­fantarina, omaly, teny amin’ny oniversite Antananarivo, ny fehinkevitry ny tetikasa.
Notetezin’ny mpanadihady avy amin’ny G3D ny faritra 21 eto Madagasikara. Maherin’ny 4 000 ny santionana hazo. Nisy tamin’ny alalan’ny ravina, ny tahony, ny nofon-kazo, ny lokony, ny hodiny, ny voany, ny felany, sns. Niisa 97 ny Dal­bergia nohalalinina raha 131 ny Diospyros. Nahatratra 15 ny Dalbergia karazany vaovao hitan’ny mpikaroka ary 27 ny Diospyros.
Nilaza ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa G3D, ny profesora Radanielina Tendro, fa anisan’ny tombontsoa amin’ity fikarohana ity ny fahafantarana amin’ny antsipiriany ireo karazana hazo sarobidy ireo. Tratra ny tanjona satria manana antontan-kevitra, santionan-kazo isika, sady manana laboratoara miisa efatra koa hanaovana fikarohana, hanadihadiana ara-tsiantifika lalina. Manana, rahateo, olona mpikaroka, hanatanteraka izany isika.

Fanisana ny karazan-kazo

Azon’ny tomponandraikitry ny ala, ao amin’ny minisiteran’ ny Tontolo iainana, ampiasaina ireo antontam-baovao sy an­tontan-kevitra ao amin’ny G3D. Toraka izany koa ny tomponandraikitry ny ladoany manao ny fisavana amin’ny sehatra samihafa.
Dingana manaraka vinavinain’ny tetikasa G3D ny handraisana lisitra, hanisana amin’ny antsipiriany ny karazana “Dalbergia” sy “Diospy­ros” eto Madagasikara. An­tony, ahafahana mamantatra azy ireo, hitantanana maha­ritra sy izay azo trandrahina ara-dalàna.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: