TSELATRA

Raim-pianakaviana iray maty tampoka
tao anaty fiara fitanteram-bahoaka teo amin’ ny gara Makis Andohatapenaka, omaly. Mpandeha anaty fiara no nahatsikaritra io lehilahy io efa maneho fihetsika hafahafa. Nozahan’ny mpitsabo sy ny tomponandrai­kitra ilay mpandeha saingy efa tsy nisy aina intsony.

Trano efatra samihafa may kilan’ny afo tao an-tanànan’Ambanilalandrano, fokontany Antetezana, kaominina Anjoma Nandihizana, omaly. May avokoa ny vary akotry 12 gony. Lasibatra koa ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra rehetra. Lasa lavenona nanaraka izany ny vola nitetina 520 000 Ar sy ny fitaovana rehetra tao an-trano.

Mpamily taxi iray voatsatok’antsy teo amin’ ny tendany sady voaroba vola mitetina 250 000 Ar teo Andravoahangy, afakomaly tamin’ny 4 ora sy sasany maraina. Naka vola vao maraina tao Andravoahany io lehilahy lasibatra io ary nikasa haka fiara teo Anosy ho any Arivonimamo. Narahin’ny jiolahy izy ka izao lasibatra izao.

Nidoboka am-ponja ilay lehilahy nisoloky ho mpiasan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny namany roa nilaza ho mahatafavoaka mpiasa ho any ivelany, afakomaly. Vadiny ihany ilay vehivay niray tsikombakomba taminy sy ny vehivavy iray naman’izy ireo nanao ny fisolokiana.

Partager sur: