Vanim-potoana ankehitriny: takon’ny politika ny kolontsaina

Toa tsy misy afa-tsy poli­tika sisa ny resaka ! Hatreto aloha, tsy mbola nisy mpanakanto na mpikarakara fampisehoana, nanemotra na sanatria nanafoana ny fandaharam-potoana hanatanterahiny izany. Misy hatrany ny seho, ny ranty, ny varotra fampirantiana, ny fifanakalozana trai­kefa na ny atrikasa, sns. Na izany aza, takon’ny politika ny kolontsaina. Saika isaky ny mandalo vanim-potoana tahaka izao ny firenena, voailika eny an-jorombala ny zavakanto sy ny kolontsaina.
… Raha vao mivaha anefa ny olana, ifandrombahana indray ny mpanakanto, satria, hanao fampielezan-kevitry ny mpanao politika. Tsy ny mpanakanto rehetra anefa fa ireo heverina fa mahasarika mpi­jery. Io tranga io matetika no mandiso fanantenana ny « mpilalao politika ». Tsy ilay hevitra ambaran’ilay mpiro­tsaka hofidina no nahamaro ny olona tonga fa ny « hijery fety ». Tranga toa milaza in­dray fa tsy azo atao ny mani­lika ny mpanakanto sy ny zavakanto ataony. Sa, sanatria ataon’ny mpilalao politika fa amponga mihantona aza ny zavakanto sy ny mpanakanto ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: