Nilaza ny Jirama fa tsy delestazy ny fahatapahan-jiro, naharitra ora maro manerana ny faritra maromaro teto an-drenivohitra, tamin’ny alina. Fanapahana noho ny antony teknika no natao satria nisy fahasimbana ny fitaovana sy kojakoja amin’ny famatsiana herinaratra teny Anosizato.
Tratra nangalatra jiron’ny Jirama ny toerana mpanamboatra kodiarana (vulcanisation) iray eny Anosizato. Voararan’ny lalàna sady mampitera-doza ny fanaovana izany, ka manentana ny mpiara-monina ny Jirama hitoroka ireo minia manao toy izany, amin’ny alalan’ny laharana maitso 547. Mijanona hotsiambaratelo ny mombamomba ny mpitoroka.
Miisa efatra ny laboratoara ampiasain’ny tetikasa G3D, fitantanana maharitra ny karazan-kazo sarobidy Dalbergia sy Diospyros. Anisan’izany ny laboratoara biolojika mikasika ny « molécule » ho an’ny zavamaniry, ny mikasika ny teknolojia momba ny hazoala, ny siansa mikasika ny hazo ary ny manadihady ny mombamomba (anatomie) ny hazo.
Tsy mihetsika, manodidina ny 4 800 Ar ny sandan’ny 1 euro. Efa latsaky ny 4 900 Ar izany tamin’ny volana aogositra teo, ary izao nidina izao. Tafakatra 4 500 Ar kosa ny 1 dolara raha manodidina ny 4 400 Ar tamin’ny volana aogositra.