Ady amin’ny kolikoly PAC : manao ranolava ny ben’ ny Tanàna voarohirohy

Nanatanteraka ny fitsarana mitety vohitra ny eo anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), avy any Anta­nanarivo, ny 24 sy 25 Aogositra teo. Nisy ny fotoam-pitsarana tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony Toamasina, nifantoka tamina fanodikodinam-bolam-panjakana, hosoka sy fanoratana hosoka, fanararaotam-pahefana, nitsarana ben’ny Tanàna maromaro nandalo fotoam-pitsarana. Ho an’ny kaominina ambanivohitr ‘Antsampanana, disitrika Brickaville, ohatra, anisan’ny niampangana ny ben’ny Tanàna ny fanomezana tombondahiny tolobarom-panjakana ho an’ny mpandraharaha iray, mpinamana, izay mbola nisehoana hosoka sy fanoratana hosoka ihany koa. Tsapan’ny mpanara-maso ny fampiasam-bolam-panjakana ihany koa fa tsy nifanaraka tamin’ny fandaniam-bola ny asa notanterahana. Handrasana amin’ny 25 septambra ho avy izao ny didim-pitsaran’ ity farany.
Manomboka koa ny fanadihadiana eo anivon’ny kaominina ambanivohitr’ Ambodilazana, disitrikan’ i Toamasina II, momba ny tsy fahitana popoka ny vola avy amin’ny faritra Atsinanana izay tokony hanaovana tetezana any an-toerana, mitetina 60 tapitrisa ariary.

Sajo

Partager sur: