Basikety-“N1B vehivavy” : vonona hitazona ny toerany ny MB2All

Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana anio, any Mahajanga, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly “N1B”, sokajy vehivavy. Anisan’ny tafakatra hiatrika izany ny ekipan’ny MB2All Ana­lamanga, rehefa nandresy ny Dunamis, tamin’ny isa 62 no ho 54, teo amin’ny ampahefa-dalana. Vonona ny hitazona ny toerany ity ekipan’Analamanga ity, araka ny nambaran’i Anja, mpilalao ao amin’ny MB2All. Ankoatra izay, hiatrika ny manasa-dalana eo amin’ny sokajy vehivavy ihany koa ny BT BBA rehefa nandravarava nanoloana ny ekipan’ny Varsity, tamin’ny isa 57 no ho 20, omaly, teo amin’ny ampahefa-dalana hatrany.
Tsiahivina, miatrika manasa-dalana avokoa, ho amin’ny anio, ny sokajy Vétérans, ny vehivavy “N1B” ary ny sokajy latsaky ny 20 taona, lehilahy. Any Ambatondrazaka no ho tanterahina ny lalao ho an’ny Vétérans raha any Mahajanga kosa ny “N1B” sy ny U20. Ho an’ny Vétérans, anisan’ny hiatrika ny manasa-dalana, ny La Renaissance, ny Fitefa, ny PMBC ary ny Tafaray. Araka ny fandaraham-potoana, rahampitso alahady no hanaovana ny lalao famaranana, hamoahana izay ekipa tompondaka 2023, amin’ireo sokajy 3 ireo.

Mi.Raz

Partager sur: