Kitra vehivavy : miray vondrona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara

Anisan’ireo taranja tsy nandraisana anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, ny baolina kitra, vehivavy. Tsy mijanona anefa ny fifaninanana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, handray anjara amin’ny Cosafa izy ireo.

Taorian’ny antsapaka natao ny alakamisy 14 septambra lasa teo, ao anatin’ny vondrona A i Mada­gasikara amin’ny fifaninanana « Cosafa Women’s Cup 2023 ». Fifanintsanana ta­ranja baolina kitra, sokajy vehivavy, hotanterahina any Afrika Atsimo, ny 4-15 oktobra ho avy izao. Araka izany, hifandimby hihaona amin’ny Malagasy mandritra ny fifanintsanana isam-bondrona i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Malawi, Eswatini.
Miisa 12 ireo firenena mandray anjara amin’ity Co­safa ity ary nozaraina anaty sokajy telo, A, B, C, izy ireo. Anisan’izany, Zambia, Mo­zam­bique, Angola, Comores, Namibie, Botswana, Zimbab­we, Lesotho. Marihina fa saika notontosaina ny 23 ao­gositra- 3 septambra lasa teo ity lalao ity, saingy nahemotry ny teo anivon’ny Kao­fe­derasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) izany.
Raha ny vaovao farany, tsy misy ny fanovana ny mpa­nazatra ny ekipam-pirenena fa i Théodore Béatrice ihany no hitondra ny Barea, vehivavy. Tsy hisy ny fiovana eo amin’ny mpilalao fa ireo voatazona ihany no hanatanteraka fampivondronana, folo andro mialohan’ny fiatrehana ny fifaninanana. Manana tanjona ny hampivoatra ny baolina kitra, vehivavy, eto amin­tsika ny filohan’ny Kaomi­sion’ny baolina kitra eto Madagasikara, Andriantsi­mialona Sandrine Michelà.

Fitia

Ireo vondrona telo amin’ity Cosafa Women’s 2023 ity :
Vondrona A :
Afrika Atsimo, Malawi, Madagascar, Eswatini
Vondrona B :
Zambie, Mozambique, Angola, Comores
Vondrona C :
Namibie, Botswana, Zimbabwe, Lesotho

Partager sur: