“Mitaky ny tsy fiandanian’ny governemanta amin’izao zotram-pifidianana izao. Aza hadinoina fa ianareo izao no mitantana vonjimaika ny filoham-panjakana manomana fifidianana”. Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Very hasina ny Antenimierandoholona”, afakomaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Manamaloka ny zotram-pifidianana izao tranga izao, nefa aoka tsy ho antony velively hanemorana ny fifidianana ka hizotra mihazo Tetezamita. Mampiomana hatrany ny olom-pirenena hanara-maso sy handray anjara amin’ny fifidianana ny fikambanana.
Takiny mba hitondra fanazavana ny hoe governemanta ifandrimbonana kosa ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Amin’ny KMF/Cnoe, diso ny fivoizana fa ny Praiminisitra no mitondra ny tany sy ny fanjakana. Vao mainka aza mampietry azy hitovy laharana amin’ny laharan’ny minisitra sy ny sekreteram-panjakana izany. Satria tsy misy fanapahan-kevitra azo raisina samirery, raha tsy teny ierana. Tsy olon-tokana, araka ny feo mandeha, ny fanapahan-kevitra sy ny andraikitra fa iarahan’ny mpikamban’ny governemanta mandray. “Moa ve ireo mpikamban’ny governemanta rehetra izany dia migoka ny tombontsoan’ny maha filoham-panjakana azy ireo amin’izao fotoana izao sy aorian’ny fitondran’izy ireo?”, hoy ny fanambarana.
R. Nd.