Mailo sy malina !

 

Vanim-potoana saropady no lalovan’ny firenena ankehitriny. Ilana fitandremana lehibe hatramin’ny vava havoaka. Mahazo vahana ny fanelezam-baovao tsy marina entina hampisavorovoroana saim-bahoaka. Mila mailo amin’izay zavatra ho henoina. Mila malina amin’izay hinoana. Fadiana ny miantoratoraka amin’izay malama vava. Maro no mahasahy mivarotra am-pitsanganana.
Malina ihany koa mahakasika ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny halaboty sy ny fanafihana mitam-piadiana etsy sy eroa. Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra dia mirongatra izaitsizy izany. Miainga avy amin’ny isan-tokantrano ny fepetra hisorohana ny asan’ireo olon-dratsy. Anisan’ny vanim-potoana iveloman’ny jiolahy ihany koa ny fotoam-pifidianana. Mahazo vahana ny mpanararaotra amin’ny endriny samihafa. Mampitondra faisana ny tsy manan-tsiny.
Tsy tokony handriandry manana aretina ny sarambabem-bahoaka amin’ny lafin-javatra rehetra mahakasika ny fiainany andavanandro. Tsy ferana amin’ny resaka filaminana, na izay resaka honohono mety hanimba saina. Tsy maintsy mitsinjo ny vodiandrohomerika ihany koa, sao hisy ny krizy sosialy sy toekarena mifandraika amin’ny tontolo politika. Fametrahana tahiry, fanangonangonana sakafo tsy mety samba, araka izay ho enti-manana. Ny tahiry izay mbola baraingo ny mahakasika azy satria firifiry tokoa ny fianakaviana no miaina anaty trosa mihavosa. Ny hohanina anio tadiavina rahampitso, hoy ny sangisangy zary tenany ataon’ny olona.
Tsy finoanoam-poana, mety ho fifandrifian-javatra ihany koa. Mitombo izaitsizy ny lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona. Mila mitandrina, araka izany, ny tompona fiara, ny mpamily, ny mpandeha, ny tomponandraikitra mpandrindra izany. Na inona na inona lazaina manko matetika loza noho ny olana teknika sy ny fanaovana tsinontsinona izany no antony.

r.r

Partager sur: