ONIVERSITE: Tsy hamerina ny fampianarana ny Seces

« Raha manam-bola handoavana ireo karaman’ny  vacataires  tsy mbola voaloa hatramin’izao sy ny indémnité maro ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo dia afaka manery ny fitohizan’ny fampianarana eny Ankatso sy Vontovorona”, hoy ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo, omaly. Ny tomponandraikitra avy amin’ny sekoly ambony politeknika no nanambara fa miverina ny fampianarana eny manomboka amin’ny alatsinainy izao nefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy izany.
Nanamafy ny mpitarika ny sendikà fa hisorohana ny fisian’ny taona fotsy no tanjona amin’ny fitakiana hampiverina haingana ny fitohizan’ny fampianarana, eny amin’ny oniversitem-panjakana. Raha vao voavaly avokoa ny fitakiana samihafa, hiverina ny asa rehetra. Zavatra mampiombona no tokony hirosoana fa mitovy ny tanjona ho an’ny Seces sy ny minisitera mpiahy ary ny fiadidiana ny oniversite. Momba ny filazana fa manao politika ny mpitarika ny Seces, mamoaka ny hevitra politika momba ny raharaham-pirenena izy ireo nefa tsy manakorontana ny fanehoana izany, hoy ny sekretera jeneralin’ny biraon’ny Seces nasionaly. Tsy mbola mivaha aloha hatramin’ny omaly ny olana nitarazoka amam-bolana. Hiverina eny an-kianja ny mpitolona amin’ny alatsinainy ho avy izao, misy rahateo ny fanehoan-kevitra am-pilaminana ataon’ny Fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) anio eny amin’ny Cathédrale Degs Ankatso ary mpikambana ny Seces. Mafanafana ny toe-draharaha!

Vonjy A.

Partager sur: