Tao anatin’ny herinandro, mpanao Cash point miisa telo, tamin’ny toerana samihafa norobain’ny jiolahy. Vehivavy iray indray lasibatra tetsy Manakambahiny, omaly.
Lasan’ny telo lahy nitam-basy ny vola tao anatina kitapon’ny vehivavy iray mpanao Cash-point eo Manakambahiny, anatin’ny boriborintany faharoa, omaly maraina. Hanao ny asa fanaony andavanandro, niala teny amin’ny trano fonenany teny Andohamandry io vehivavy io. Manao Cash-point eo Manakambahiny izy ka nitondra ny kitapo misy ny vola niampy ny finday fampiasany. Tsy nanampo na inona na inona, jiolahy telo lahy niandry kendry tohina ity mpitsinjara vola amin’ny alalan’ny finday ity no teo amin’ny toeram-piasany. Teo am-panokafana ny varavaran’ny kioska, nambanan’ny telo lahy basy avy hatrany io vehivavy io, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy afa-nanda, nanome ny kitapo nisy ny vola sy ny finday iray teny aminy ilay vehivavy.
Nitsoaka tamin’ny moto
Nanapoaka basy nanao tifi-danitra taorian’io ireo telo lahy. Nirifatra nanao taingin-telo tamin’ny kodiaran-droa rehefa azony ny vola. “Tsy fantatra mazava ny totalim-bola azon’ireo mpandroba”, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy. Tetsy ankilany, nanamafy ity farany fa nijery ifotony ny zava-nisy teo amin’io toerana nitrangan’ny fanafihana io ny mpitandro filaminana miasa tsy lavitra, saingy efa tsy nisy teo intsony na ny mpandroba na ny voaroba. Tsiahivina, ramatoa iray mpanao Cash-point mbola mitaiza kely maty notsatohan’ny jiolahy antsy sady voatifitra basy teny Ambatomaro. “Efa hody hividy gouter ho an’ny zanany izy no nandrasan’ny jiolahy roa lahy”, hoy ny fianakavian’ny lasibatra. Voaroba nandritra izany, ny vola manodidina ny 10 tapitrisa Ar niampy finday enina.
Tsiferana R.