Peace corps Madagascar: nampianatra teny tanana sy nanangana English Club i Ben sy i Kristy

Mpilatsaka an-tsitrapo 2 anisan’ny niverina voalo­hany teto Madagasikara taorian’ny valanaretina covid19, i Ben Breen sy i Kristy. Nahavita ny asany izy ireo ka hiverina any Etazonia amin’izay.
Mampaneno lakolosy, toy izay ny fomba fanaon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Peace Corps ho fanamarihana ny faha­vitan’ny asany teto amin­tsika.
Niasa nandritra ny roa taona teto Madagasikara, amin’ny maha mpam­pianatra teny anglisy sy tenin’ny Tanana azy izy mianadahy.
Lasa maintimolalin’ny Pea­ce Corps na Returned Pea­ce Corps Volunteer (RPCV) any Etazonia izy ireo manomboka izao.
Nisaotra an’i Ben sy i Kristy ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, tamin’ny asa fanompoana nataon’izy ireo. Marihina fa mpilatsaka an-tsitrapo voalohany nive­rina teto Madagasikara taorian’ny nampodiana ireo mpilatsaka an-tsitrapo re­hetra niasa tany amin’ny firenena 60 maneran-tany tamin’ny volana marsa 2020 noho ny valanaretina Covid-19 izy mianadahy ireo.
Nankasitraka an’i Ben tamin’ny fananganana En­glish Club roa tao Arivo­nimamo sy ny fahaizany nianatra tenim-paritra ma­la­­gasy roa ny talen’ny Peace Corps Madagascar, Mariah Cisse.
Nidera an’i Kristy ihany koa ny tenany noho ny faho­m­biazany tamin’ny fampia­narana ny tenin’ny tanana tao amin’ny ivontoerana fanabeazana ma­renina, FOFAMA, ao Antsirabe. Mi­an­­tsehatra amin’ny fana­bea­zana, fahasa­lamana, tontolo ambanivohitra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ame­ri­kanina tonga eto Mada­ga­sikara. Mandray anjara feno amin’ny fam­pivoarana ny teny anglisy eny amin’ny lycée ihany koa ny ampahany amin’izy ireny ary tsikaritra ny fisongadinan’ny fahaizan’ ny ankizy ny teny anglisy amin’ny toerana niasany.

Tatiana A

Partager sur: