Hanao ahoana izao toe-draharaha politika mafanafana izao? Fitoniana no ilain’ny vahoaka, raha ny fijerin’ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasaomaromaka Hery.
“Fitoniana no ilain’ny vahoaka amin’izao. Raha izao no mbola hisy korontana, iza no hahazo tombony amin’izany? Izany no mahatonga ny vahoaka tsy resy lahatra intsony amin’
izany fidinana an-dalambe izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Mahamasina, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Ny efa vita teto amin’ny firenena tamin’izany fidinana an-dalambe izany aza, nanenenana. Rehefa misy korontana eto amin’ny firenena, ireo tsy manana olona no mahazo toerana: ireo be vava, goaika antitra amin’ny politika…
Efa nanaiky hoe handeha hilalao, efa nahazo laharana. Raha hitambatra ihany ireo kandidà folo, maninona no tsy nitambatra dia nanolotra kandidà iray raha atahorana ny filoha Rajoelina? Tsy adala ny vahoaka, ka hifidy kandidà folo. Tsy vondron’olona no hofidiny amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao, fa olona iray. Lasa fanakorontanana firenena no ataon’ireo kandidà folo mitambatra, araka ny nambarany. Tokony hatrehin’ireo kandidà ny fampielezan-kevitra, reseny lahatra ny vahoaka. Manao hatrany izay hanakanana ny filoha Rajoelina tsy hirotsa-kofidina ry zareo, lany andro amin’izany izy ireo. Misy kandidà tsy manana fandaharanasa, fa manaratsy ny filoha Rajoelina no atao.
R. Nd.