Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana Andriantefihasina Mirija, Malagasy mpilalao tenisy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy lehilahy, U14. Marihina fa lavon’i Ghali Salaheddine, marôkanina tamin’ny seta 2 no ho 0 ( 6/1, 7/5) izy, tamin’io fotoana io.
Hanomboka anio, any Zimbabwe, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2024, izay hatao any Paris, ny taona 2024 ho avy izao. Ny ekipam-pirenena Tonizianina sy ny Makis de Madagascar no hifanandrina amin’io fotoana io. Aorian’io, hihaona amin’i Côte d’Ivoire sy i Afrika Atsimo isika.
Hotanterahina anio ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja Rugby, taona 2023. Anisan’ireo hifanandrina amin’izany i Irlande sy i Tonga, Océanie. Marihina fa ity lalaon’ny roa tonta ity, fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny “B”. Ankoatra izay, nandresy an’i Uruguay, tamin’ny isa 12 no ho 27 i France.
Hotontosaina manomboka ny talata ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro, ny fihaonan’ny AC Milan, klioba Italianina sy ny Newcastle United, klioba Anglisy, ao amin’ny kianjan’ny San Siro, Italie.