Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny “The distinguished gentleman’s drive 2023” na fanehoana sy filatroan’ireo fiara tranainy. Hotanterahina ny alahady 24 septambra ho avy izao izany ka hampiantrano ny hetsika ny tanànan’ Antananarivo, amin’ ny alalan’ny kaominina. Io no nampahafantarin’ny “Iconique.mg” mpikarakara ny hetsika tamin’ny mpanao gazety, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, natao omaly zoma, tetsy Ankorondrano.
Tanjona amin’ity ny fanangonam-bola hoentina misoroka sy mitsabo ny homamiadan’ny taova, mpahazo ny lehilahy 50 taona mihoatra, “prostate”. Fiara tranainy nivoaka talohan’ny taona 80 ireo handray anjara ka tsy hihoatra ny 130. Hitety ireo faritra maro eto an-drenivohitra izy ireo, hahatratra 30 km. Hisy ny fanentanana amin’ny fandalovan’ny fiara. Hifarana eny Antsahavola ny hetsika. Homena lanja manokana amin’ity ny asa soa sy ny haja ary ny fisakaizana
eo amin’ny fitiavana fiara tranainy. Miara-miasa amin’ny Clinique Andraina, afaka hanaovana fitiliana maimaimpoana ny hetsika. Eo koa ny BNI Madagascar, manome lanja goavana ny vakoka sy ny harem-pirenena.
Ankoatra izay, misy boky mirakitra ny tantaran’ireo fiara tranainy amidy mandritry ny hetsika, ka anisan’ny efa naka tamin’izany ireo tale sy tomponandraikitra eo anivon’ny BNI.
Torcelin