Vaovao tambatra

Niakatra ho 3 100 Ar ny kilaon’ny vary « stock » hafarana avy any ivelany. Mahatonga izany ny halafosan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, 400 dolara ny vidin’ny 1t. Raha adika io, mahatratra 140 000 Ar ny vidin’ny iray gony, milanja 50 kg, handraisan’ny mpamongady azy. Manodidina ny 2 800 Ar hatramin’ny 3 000 Ar kosa anefa ny vary eto an-toerana toy ny makalioka sy ny vary gasy mena.

Manodidina ny 65%-n’ny Malagasy no ao anatin’ny sokajin-taona tokony hiasa, eo anelanelan’ny 15 taona hatramin’ny 45 taona. Izany hoe, tokony hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Mahatratra 500 000 isan-taona ireo mitady asa, nefa saika tsy mahita asa ny ankamaroan’izy ireo. Anisan’ny antony tsy fahampian’ny orinasa miforona eto amintsika, indrindra ny sehatry ny indostria, izay tokony hanome asa maro.

Mahatratra 5 000 Ar hatramin’ny 10 000 Ar ny karama isan’andro, eny amin’ny tontolo ambani­vohitra. Voakasik’izany ny sehatry ny fambolena, 80%-n’ny Malagasy, toy ny miasa tanimboly na tanimbary, ohatra. Mahatsapa anefa ireo mpikarama manao izany asa izany fa tsy ampy intsony io karama io, noho ny halafosan’ny vidin-javatra sy ny vidim-piainana.

Partager sur: