Manoloana ny raharaham-pirenena, mizara ny heviny ny antoko Hiaraka Isika, tarihin’ny filoha nasionaliny, Vital Albert Camille. “Miantoka ny fiainam-pirenena mandritra ny dimy taona hoavy sy izay manaraka ny fifidianana”, raha ny fanambarana nataon’ny antoko Hiaraka Isika (AHI), omaly. Efa nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ireo kandidà13 nahafeno fepetra hirotsaka ho fidina. Notanterahin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena mikarakara fifidianana (CENI), ny antsapaka momba ny laharan’izy ireo.
Manoloana izany, nanao antso avo ho an’ny rehetra ny antoko mba hiroso am-pitoniana any amin’ny fanatanterehana ny fifidianana. Ho tombontsoa ambony ho an’ny firenena izany. “Aoka ho halavirina ny fandrangitana sy fifampihantsiana ary ny fihetsika tsy mendrika fa tsy mitondra soa”, hoy hatrany izy ireo. Nilaza ny antoko fa zava-dehibe ny fifanajana, ka tsy ny ahiahy sy tombatombana no entina hanakianana ny hafa.
“Farany, tsy ilaina intsony ny fanakorontanana noho ny krizy maneran-tany”, hoy hatrany ny antoko Hiaraka Isika. Nilaza izy ireo fa tsy misy na iray aza mahita tombontsoa amin’izany. Tsy mendrika halatsaka ao anaty krizy intsony ny firenena.
Samy tomponandraikitra amin’ny ankehitriny sy ny hoavin’ny firenena ary ny taranaka ny rehetra. “Iaraha-miatrika ny handresena ny olam-pianana mianjady. Samy manana ny heviny mikasika izany moa ireo kandidà nirotsaka ho fidina ka aoka hiroso amin’ny ady hevitra marina. Hialana amin’ny fampisavorovoroana ny saim-bahoaka.”, hoy ny fanambarana.
Mino