Faritra anisan’ny mamokatra voatabia hatrany amin’ny 25 770t isan-taona Mahitsy, distrika Ambohidratrimo. Antony nametrahana milina fanodinam-bokatra ao an-toerana, tamin’ny alalan’ny tetikasa taninketsa indostrialy “one district one factory” (Odof). Tonga tany an-toerana nitondra izany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny zoma teo. Afaka manodina voatabia 1t isan’ora ny milina. Azo tehirizina, havadika ho ketchup na ho lasa saosy ireo vokatra azo. Hamokatra voatabia avo roa heny ireo kaoperativa ao an-toerana amin’ny fahazoana ny milina raha manodidina ny 700t isan-taona izany teo aloha. “Nahavelombolo ny tantsaha mpamboly ny fahazoana ny milina”, hoy ny fanazavan-dRandrianarisoa Jean Rodin, filohan’ny kaoperativa. Nampanantena izy fa hanao ny ezaka rehetra hampitombo ny vokatra ny tantsaha ao an-toerana.
Fampandrosoana
Lohalaharana amin’ny famokarana saonjo sy manondrana izany any ivelany ny distrika Ankazobe. Hampiroboroboina indray ny famokarana, amin’ny alalan’ny tetikasa Odof, napetraka ao an-toerana. Hamboatra chips avy amin’ny saonjo ny milina noho izy mahavita manodina saonjo 100 kg isan’ora. Vonona hitady lalam-barotra ary efa mifampiraharaha amin’ireo toeram-pivarotrana lehibe eto an-drenivohitra ny minisitera mba hanomezana toerana ny vokatra avy ao Ankazobe. Ankoatra izay, misy ny antso ho an’ny tetikasa ho an’ireo zanatany mpandraharaha vonona hitantana ireo orinasa napetraka ao Mahitsy sy Ankazobe ireo.
Henintsoa H.