Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarinarivelo Hajo, fa tsy afaka hamela an’i Madagasiraka ohatra izao intsony isika satria tafiditra anaty fahasahiranana mafy ny firenena. “Anisan’ny antony miteraka izany ny fahitana fa tsy voahaja ny lalàna. Tsy misy intsony ny fatahorana an’Andriamananitra. Lasa mandainga sy mamorona ary mahavita ny mamitaka ny mpiray tanindrazana mihitsy amin’ny lalàna velona ny zava-misy ankehitriny”, hoy izy raha nihaona tamin’ny vahoakan’ Avaradrano, ny herinandro teo. Nohamafisiny fa tonga ny fotoana tsy azo anekena izany intsony eto amin’ny firenena. Mila sahy manova sy mandray andraikitra ny rehetra. Ho tavela ny taranaka fara aman-dimby rehefa tsy manana fahasahiana dieny izao isika, araka ny nambarany hatrany.
Natsidiny fa tokony hiakatra ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy, afaka dimy taona ka tsy ho mpangataka Tee shirt amin’ireo mpanao politika intsony.
Fanambaniana vahoaka
Nohitsiny fa tena fanambaniana vahoaka ny fizarazarana zavatra etsy sy eroa. Tsy mahavita taona izany… Ilaina koa ny fanosehana ny tokantrano tsirairay hahavelon-tena ka anisan’ny manana andraikitra lehibe amin’izany ny mpitondra, araka ny nambarany. Notsiahivin’ity kandidà filoham-pirenena ity fa nitety an’i Madagasikara nandritra ny herintaona sy tapany izy, nijery ny olana iainan’ny vahoaka eny ifotony. “Tsapanay fa tena sahirana ny mpiray tanindrazana. Tsy ny tarehimarika no hanamarinana ny fandrosoana fa ny fari-piainan’ny vahoaka… Ilaina ny fahafahana mampianatra ny zaza any an-tsekoly, ny fikarakarana ny fahasalamana ary ny fahaveloman’ny ankohonana”, hoy izy.
Synèse R.