INDRAY MIJERY

Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny alakamisy 28 septambra izao, ny fampirantiana ireo karazana asa, mifandraika sy mifanentana amin’ireo olona manana fahasembanana. Miaraka ho amin’ny asa mampiaty sy maharitra… lohahevitra amin’ izany. Mbola maro ireo orinasa tsy mandray olona manana fahasembanana eto Madagasikara.

Nihaona tamin’ny minisitry ny Mponina ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny herinandro teo. Nidinika ny ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fiahiana sosialy, ny fanavaozana ny paikady nasionaly, hanatsarana izany fiahiana sosialy izany. Teo koa ny fanatanterahana tetikasa vaovao ho fampiatiana ireo tokantrano marefo.

Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana, hanatanteraka diaben’ny fandriampahalemana, andiany faharoa, ny Tily Analamanga Afovoany. Hanomboka rahampitso hatramin’ny 23 septambra izao no hanatanterahana izany ka Andasibe-Antsapanana-Brickaville ary Toamasina no tanàna hisitraka izany.

Manao fitiliana areti-maso katarakta maimaimpoana ho an’ireo olona 40 taona mihoatra ny CHU Anosiala, ny 25 ka hatramin’ny 29 septambra izao. Iarahana amin’ny ONG pneumo-Aide sy ny ONG Well International izany. Matetika ireo efa nahazo taona no voan’ity areti-maso ity ary ny fandidiana no vahaolana.

Partager sur: