Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana”

Nitondra fanazavana manoloana ny raharaham-pirenena ny praiminisitra Ntsay Christian ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato. Anisan’izany ny hiatrehana ny fifidianana.

“Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana. Tsy ekena izany Teteza­mita vaovao hitondra ao ana­tin’ny roa taona izany. Mazava ny lalana hizorantsika: fanajantsika ny lalàna velona eto Madagasikara. Mandala an’
izany firenena tena demokratika izany isika”, hoy izy teny amin’ny Sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena (ENSP), Ivato, tamin’ny famoahana ny andiany Vina. Miandrandra fifidianana malalaka ny firenena. Antsoiny ny olom-pirenena tsirairay hanara-maso izany.
Amin’izao fotoana isian’ny tambajotran-tserasera sosialy sy ny fahalalahana izao, tsy marina ny filazana hoe misy tetikady sy toetra ratsy hanovana ny safidim-bahoaka. Avelao hisafidy malalaka ny vahoaka malagasy, fa tsy hambolena korontana ny fanaovana politika.

Aoka tsy hambolena korontana ny firenena
Sahia ny Malagasy mijoro hiaro izany demokrasia izany. Fantatra fa liana amin’izany ny vahoaka malagasy, ary fifidianana no masaka ao an-tsainy amin’izao.
“Anaovako antso avo ho an’ny mpanao politika: aza simbana ny firenentsika, aza ambolena korontana eto amin’ny firenentsika. Zava-dehibe loatra ny tsy tokony handatsahantsika ra eto amin’ny firenena. Aoka izay ny lasa hom­ban’ny lasa”, hoy izy. Izay no anaovany antso avo, indrindra ho an’ny vahoaka malagasy: amin’izay tokony hisehoana hatrany ao anatin’ny firaisan-kina sy fanomezan-danja hatrany ny fihavanana ma­lagasy, ka hampijoro sy hampiaina izany fitoniana izany eto anivon’ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: