Nicolas Séguy eto Madagasikara. Frantsay mpitendry Piano, mandalo eto Madagasikara. Hisy ny atrikasa iarahany amin’ny mpiangaly Slam, eo koa ny valandresaka eny amin’ny sekoly maro samihafa. Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana ho ataony eto Antananarivo sy any Sambava.
“Exposition Lamba”. Madiva hifarana ny rantin-tsary maneho ireo lamba sy ny tantarany eny amin’ny Musé de la Photographie, eny Anjohy. Sary pika ahitana ny fomba nampiasan’ny Malagasy taloha ny lamba sy ny fisalorany izany no hita eny an-toerana.
Madagascar Mozarteum. Tanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ny IFM Analakely ny “Atelier Lyrique” iarahana amin’ny Madagascar Mozarteum. Natacha Rajemison no hitarika ny atrikasa, ary ny hiran’i Claudio Monteverdi no entina hanatanterahana izany. Tohin’ny natao teny amin’ny AFT Andavamamba, ny alahady teo, ity hetsika ity.
Projet “DIHY”. Manomboka anio, eny amin’ny La Colline Ambatovinaky- Maison Sociales d’Ambatovinaky, ny tetikasa “Dihy”. “Hip hop” sy “Dance hall” ary “Afro house” no karazana dihy haseho amin’ity anio ity. Famerenana sy fanomezan-danja ny karazana dihy rehetra no tanjona amin’ity tetikasa ity.