Tetikasa « Volobe Amont » : hivelatra amina tany 2 000ha

Hampiasa tany ho fanatanterahana ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano (centrale hydroélectrique) manana tanjaka 120MW, ny tetikasa «Volobe Amont». Hanao izany ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV). Mitotaly 2 000ha ny velaran-tany ilain’ny tetikasa ka tanim-panjakana ny ampa­han’izany. Hiasa mandritra ny dimy taona ny CGHV amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa rehetra ilaina amin’izany. Tsy hisy ny fanesorana ireo tompon-tany tafiditra ao anatin’ny faritra hiasana. Mijanona ho fananàny ny tany tafiditra ao anatin’ny tetikasa. Fantatra fa tokantrano hatrany amin’ny 360 000 isa sy olona 2 tapitrisa no hisitraka mivantana ny tetikasa
«Volobe». Manodidina ny 40%-n’ny herinaratra eto amintsika izany. Hikajy ny tontolo iainana izy noho izy hanilika entona ratsy (gaz carbonique) milanja 15 tapitrisa t ao anaty tontolo iainana. Tsiahivina fa vita sonia teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 26 mey lasa teo, ny tetikasa «Volobe Amont» izay nandrasan’ny mponina ao Toamasina hatry ny ela. Hanampy amin’ny famoronana asa isan-karazany ihany koa izany.

Henintsoa H.

Partager sur: