Mahatratra 541 303 710,64 Ar ny famatsiam-bola nataon’ny tetikasa “Fihariana” tamina faritra 19 sy distrika 42 manerana ny Nosy, enti-manatsara sy mampitombo ny fiompiana akoho gasy, karazan-kena anisan’ny be mpitady sy maro mpanjifa eto Madagasikara ny akoho gasy.
Hisokatra ho an’ny tantsaha mpamboly kakao ao Ambanja ny lalam-barotra mankany amin’ny tsenan’ny AGOA. Vinavinaina hihoatra ny 17 000t ny taham-panondranana amin’ity taona ity. Hitondra fampandrosoana ara-toekarena ny fivelaran’ny lalam-barotra eo amin’ny tsena amerikana.
Tosika ho an’ny mpiantsehatra amin’ny famokarana sy fanodinam-bokatra avy amin’ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny asa tanana ny hetsika foara Analamanga, andiany voalohany, natao tetsy amin’ny kianja Barea. Naharitra telo andro ny hetsika, nanomboka ny zoma ka hatramin’ny omaly, nahitana varotra fampirantiana ireo vokatra azo avy amin’ireo sehatra ireo.
Anisan’ny mampahafantatra ny otrikarenan’ny faritra iray, ny fanambiny ary ny tetikasany ho fampandrosoana sy hisintonana mpiara-miombon’antoka ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra. Nampiantrano ny andiany fahafito ny faritra Fitovinany, ny 14,15,16 septambra teo. Sehatra nampisongadinana sy nampahafantarana ny mpiara-miombon’antoka ny hetsika natao.