Ifampitadiavana Ra-bebe, vavy antitra 70 taona mahery. Ikoizana amin’ny fivarotana zava-mahadomelina eto an-drenivohitra. Ankoatra izay, mpitsindrona telo mianadahy voasambotra
Malaza ratsy amin’ny fivarotana zava-mahadomelina Ra-Bebe. Vavy antitra efa 70 taona mahery, monina eny Ambohimanarina. Mpanaparitaka rongony amin’ny sakeli-tanàna maro eto an-drenivohitra izy, araka ny fijoroana vavolombelona ataon’izay mpidoroka tratra. Tovolahy iray, voasambotra teny, Ambodirano Ampefiloha ny iray, nanondro azy tamin’ny famotorana. Tsy mpidoroka fotsiny fa mbola mpijirika ity tra-tehaka ity. Izay any amin-dRa-Bebe, izay sady mpamongady madinika no maka entana. « Maka fonosana iray amin’ny 2 0000 Ar aho. Tsinjaraina ho baomba amin’ilay amidy 500 Ar avy eo.», hoy ity tovolahy iray. Mahalafo 15 fonosana isan’ andro ity mpijirika ity raha ny fanazavana nataon’ny polisim-pirenena. Manoloana ny fanazavana nomenin’ilay tovolahy, sy ny angom-baovao nataon’ny mpitandro filaminana dia hanaovana hazalambo sy tsy maintsy ho tadiavina ilay ramatoa lehibe.
Telo hafa migadra
Ankoatra azy mianaka ireo, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, tamin’ny zoma ireo telo mianadahy (ahitana vehivavy iray tsy ampy taona) voarohirohy ho tompon’antoka tamina fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika «amphétamine». Tratra teo am-pivarotana sy mitsindrona teny Ambohidahy Ambohimanarina izy ireo, ny alarobia. Efa mampikaikaika ny mponina eny an-toerana ny fisian’ny mpanao trafika ka nampilazana ny polisy. Nidina teny an-toerana nanao ny vela-pandrika ny mpanao famotorana. Voamarina ny vaovao. Zava-mahadomelina mahery vaika milanja 22,5kg no tratra tao an-trano. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa efa volana maromaro izy ireo no nivarotra. Maro ireo olona mpanjifan’izy telo mianadahy ireto, araka ny fanazavany.
J.C