Herijika ho an’ny sehatry ny fizahantany ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara farany teo. Tsara ny vokatra ho an’ireo mpiantsehatra rehetra saingy mbola betsaka ny tokony hatsaraina.
Tombony tamin’ny sehatry ny toekarena sy ny fizahantany ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Tamin’ny volana aogositra teo, nahatratra 24 000 ny mpizahatany tonga teto amintsika raha eo anelanelan’ny 10 000 ka hatramin’ny 15 000 teo izany nanomboka ny volana Janoary ka hatramin’ny jolay lasa teo, araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM). Mitotaly 134 000 ny mpizahatany nitsidika ny nosy
malagasy hatramin’ny niandohan’ny taona. Manomboka misokatra ny lalana ho an’ity sehatry ity ho an’i Madagasikara taorian’ireo krizy mavaivay nolalovany. Tanjona ny hahatrarana ny salanisan’ny mpizahatany ho 250 000 toy ny tamin’ny taona 2019, hoy hatrany ny fanazavana.
Feno hatrany amin’ny 80% avokoa ireo trano fandraisam-bahiny nandray ireo atleta manodidina ny 4 200 isa. Nisy tamin’ireo hotely teny Antaninarenina no feno tanteraka, toy izany koa ireo trano fisakafoana.
Hatsaraina
Tosika ho an’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa isan-karazany. Mila ampitomboina ny isan’ny fiaramanidina, mila manokatra lanitra ho an’ny firenena samihafa isika, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, mila hatsaraina ireo lalam-pirenena, indrindra any amin’ireo toerana mahasarika mpizahatany. Tokony hampitomboina ihany koa ny fahaizan’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny fizahantany, ny fandraisam-bahiny ary ny trano fisakafoana.
Henintsoa Hani