Andrianarisedo Dama, filohan’ny Ceni : “Tsy sakana amin’ny fifidianana ny adihevitra politika”

Miroso amin’ny fanatanterahana ny dingana rehetra ilaina amin’ny fifidianana ny Ceni. Nihaona tamin’ny solontenan’ny kandidà izy ireo, omaly.

«Ampirisihinay ny ha­hitan’ireo kandidà vahaolana amin’ny lafiny politika», hoy ny filo­han’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, oma­ly, momba ny fiatrehana fifidianana. Tsy sakana amin’ny fikarakarana fifidianana ny adihevitra politika. “Sarotiny izahay amin’ny soatoavina mibaiko anay. Anisan’izany ny fampitoviana lenta sy zo ny kandidà”, hoy izy, ny amin’ny fahazoan’ny kandidà miteny amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM. Handinika ny fandrindrana izany ry zareo. Ampirisihiny koa ny fahazoa-miteny amin’ny haino aman-jery tsy miankina. Nanomboka tamin’ny ni­voahan’ny lisitry ny kandidà, tokony hisy izay fahazoana miteny izay. Hisy ny fandrindrana an’izay eo anivon’ny Ceni, ary halefa any amin’ny kandidà tsirairay avy. Tokony hitovy ny kandidà amin’ny fahazoana mampiditra sy mampiasa helikoptera, izay afa-manao izany. Tsy tokony hisy sakantsakana ny amin’izany, raha tsy ny lafiny teknika ihany.
“Ny fanaraha-maso ihany no hahazoana manala ny ahiahy mitranga any amin’ny fisainana any”, hoy kosa ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, manoloana ny fanombohan’ny fivorian’ny Ceni miaraka amin’ny solontenan’ny kandidà, omaly. Voalazan’ny lalàna fa manana solontena eo anivon’ny Ceni ny kandidà tsirairay avy amin’ny fotoam-pifidianana. Andraisan’izy ireo anjara avokoa ny raharaha rehetra karakarain’ny Ceni amin’izany, ankoatra ny fandraisana fanapahan-kevitra izay tsy nananan’izy ireo fahefana na afa-manolo-kevitra aza izy ireo. Ny birao maharitra ihany no tompon’ny fanapahan-kevitra farany.

R. Nd.

Partager sur: