Fahombiazana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, lehilahy, notontosaina tany Mahajanga. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny ASS Menabe rehefa tafavoaka ho mpandresy nandritra ny lalao famaranana. Raha hiverenena izay lalao famaranana izay, isa 59 no ho 56 no nandresen’ny ASS ny ekipan’ny AKBB Analamanga. Norombahin’ny mpilalaon’ny ASS avokoa ny mpilalao mendrika sy ny mpilalao mpamono baolina betsaka indrindra. Araka izany, voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin’ny sokajy U20, i Mihajasoa Tahiry Bolo. Namono baolina be indrindra kosa, Razafimandimbisoa Lucien, izay nahazo isa 124. Tsiahivina, notanterahina niaraka tamin’ity fifaninanana U20, tany Mahajanga ity, ihany koa ny fifaninanana “N1b, vehivavy” ka nivoaka ho mpandresy tamin’izany ny ekipan’ny Fandrefiala, rehefa nandresy 55 no ho 54, ny ekipan’ny Mb2All Analamanga. Nizotra antsakany sy andavany ny fifaninanana ary tsy nanadino nisaotra ireo rehetra naira-nisalahy ny filohan’ny ligin’i Boeny, i Arnaud.
Mi.Raz