Fampandrosoana maharitra -ONU: Ny 15%-n’ireo tanjon’ny ODD monja no tratra

Tsy ho tratra ny tanjona miisa 17 napetraky ny Firenena mikambana, ho an’ny fampandrosoana maharitra maneran-tany (ODD). Tena voakasik’ izany ny firenena andalam-pandrosoana.

Anisan’ny lohahevitra lehibe dinihina mandritra ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, ny 19 hatramin’ny 23 septambra izao, ny tombana mahakasika ny Tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD). Miisa 17 ny tanjona napetraka tamin’ny taona 2015, ezahina ho tratra amin’ny taona 2030.

Araka ny tombana nataon’ny ONU anefa, zara raha ny 15%-n’ireo tanjona miisa 17 ireo ihany no mandeha araka ny tokony ho izy. Miezaka mametraka fanamby hanarina izany ny sekretera jeneraly (SG) ny ONU, Antonio Guterres. «Tokony hiara-hientana hametraka drafitrasa vonjy taitra ny firenena tsirairay», hoy izy.

Anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny ODD ny fanafoanana ny fahantrana, ny fanabeazana sy fahasalamana ho an’ny rehetra, ny fahazoana angovo (herinaratra) madio, ny asa sahaza sy ny fitomboana ara-toekarena, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy, sns.

Krizy covid-19 sy ny ady any Ukraine

Mikatso na mihemotra ny ankamaroan’ireo drafitrasa napetraka, indrindra nanomboka ny krizy covid-19, ny taona 2020. Nitombo ny fahantrana, maro ny asa very, nikatso ny seha-pihariana maro toy ny famokarana indostrialy sy ny fizahantany, ohatra. Vokany, bokan-trosa ny firenena andalam-pandrosoana, araka ny fanadihadian’ny Banky Iraisam-pirenena. Nahatratra 81% ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara ny taona 2021, raha nidina kely 75% ny taona 2022.
Vao mainka novesaran’ny ady any Ukraine io fihemoran’ny firenena maro io. Nidangana ny vidin-tsakafo, indrindra ny varim-bazaha sy ny vary. Maherin’ny 400 dolara ny vidin’ny vary 1t eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Amidy 3 200 Ar ny kilaon’ny vary « stock » hafarana avy any ivelany rah any eto amintsika.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Partager sur: