Maty vokatry ny loza an-dranomasina, omaly, ny olona dimy mianaka. Tsy nahatohitra ny tso-drivotra mahery ny botry ka saika nivadika. Vokany, nisy ny mpandeha latsaka an-drano.
Zazalahy iray sy vehivavy efatra maty vokatry ny faharendrehan’ny botry tao amin’ny vavaranon’i Betania ao Morondava, omaly tamin’ny 5 ora hariva. “Mampitohy an’i Maintirano sy Morondava io botry io”, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao eo anivon’ny zandarimaria ao an-toerana. Nitatitra olona am-polony io botry io. Nisy tamin’ireo mpandeha voalaza fa miisa 17 no zaza amam-behivavy.
“Vaky tampoka anefa ny botry noho ny antony tsy mbola fantatra mazava”, hoy hatrany ny zandary. Rendrika tamin’izany ireo mpandeha am-polony ka samy nanavotra ny ainy. Nentina namonjy ny hopitalibe Namahora ireo zaza niharan-doza. Maty ny zazalahy iray. “Vehivavy ny 4 tamin’ireo namoy ny ainy”, hoy hatrany ny fanamafisan’ny zandary, ao Morondava.
Ny loharanom-baovao hafa kosa milaza fa noho ny tsio-drivotra mahery dia saika nivadika ilay botry, nisy ny latsaka an-drano ka maty.
Telo tsy hita popoka
Mbola misy mpandeha miisa telo nokarohina, taorian’ny faharendrehana. “Telo ireo olona mbola tsy hita”, hoy ny loharanom-baovao hatramin’ ny omaly hariva nanoratana ny lahatsoratra. Efa nanaraka fitsaboana kosa ireo avotra soa aman-tsara tamin’ity loza an-dranomasina ity. Marihina, nitrangana loza an-dranomasina koa saingy tsy namoizana ain’olona tao Maintirano, io omaly io ihany. Lakana maromaro vaky noho ny hamafin’ny onjan-dranomasina. Mpandeha iray nilatsaka tao anaty rano saingy avotra soa aman-tsara ny ainy. Nitohy hatramin’ny omaly alina kosa ny fikarohana ireo mpandeha telo voalaza fa tsy hita. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
Tsiferana R.