Lalan-tokana !

 

Miova indray ny vontoatin-tserasera voizin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Antoko, fikambanana, firaisamonim-pirenena, mpanao politika tsotra dia miray feo amin’izato mety ho fisian’ny korontana. Zary hirahiraina sy atao fitaovana hampitarazoka fifidianana. Ny an’ny sasany aza toa lasa biby fampitahorana, tsy hay mazava ny tanjona hotratrarina sy ny kajikajy any ambadibadika any.
Iza no ho tia korontana? Iza no maniry izany amin’ny fireneny? Tsy ireo Malagasy resy lahatra amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitandroana ny filaminana kosa aloha! Raha zohina ny fizotry ny raharaham-pirenena. Raha jerena akaiky ny andavanandron’ny mponina. Fifidianana no hany lalana andrandrain’ny besinimaro. Ireo olom-bitsy mpahazo tombontsoa ihany ireto misehoseho, tsy mazavazava ireto.
Iza no tsy mahalala fa saika mpikarama an’ady, mitsentsitra ny volan’ny mpamatsy vola ireny karazam-pikambanana mijoro etsy sy eroa ireny. Tsy mitondra tenin’ny Malagasy fa mpitondra tenin’ny mpanome vola hiasana. Firifiry ny tetikasa atao eto Madagasikara no tsy misy vokatra azo tsapain-tanana. Tsy misy tombontsoan’ny besinimaro izany.
Tsy sanatrian’ny vava, manao vavan’ny mpanenjika fa tena mahatonga saina ny zava-misy eto amin’ny firenena. Toerana natao hivarotana tetikasa sy fakam-bola fa tsy misy mipaka amin’ny fampandrosoana. Porofo mitohoka amin’ny tenda ny zava-misy ankehitriny. Rehefa tsy azon’ny vahiny natao saribakoly ny mpanao politika. Jereo ny kandidà isanisany fa manohy ny fampielezan-kevitra savaranonando. Nitsefotra ny kajikajin’ny raiamandreny am-panahy, nirahina hampitarazoka ny fifidianana. Mipoitra indray itony ny vondrona hafa.
Mba aoka izay ilay fanaovana kilalao ny vahoaka. Lalan-tokana, mahavaha olana, ny fifidianana.

r.r

Partager sur: