Fomba fihira anisan’ny mbola tafapetraka hatramin’izao ny Zafindraony, ary miha mitombo aza ny mpanao azy. Ny foko Betsileo no tena namelo-maso azy ity. Mbola manao izany ny mponina any an-toerana ankehitriny rehefa manao hira ankavoriana, indrindra any anaty fiangonana.
Haikanto sy fomba fihira mampiavaka ny foko Betsileo ny Zafindraony. Efa miparitaka manerana an’i Madagasikara, hatrany ampitan-dranomasina koa anefa izy, ankehitriny. Mbola tafapetraka hatrany koa ny maha izy azy ary ny vahiny no talanjona amin’ity haikanto Betsileo ity. Anisan’ny manaparitaka sy mampahafantatra ity gadona ity, any ampitan-dranomasina ihany koa ny Malagasy mila ravinahitra any, indrindra ny ao Canada.
Ara-tantara, ny tapany faharoan’ny taon-jato faha-19 no nahitana azy voalohany, teto afovoantany. Notohizan’ny foko Betsileo izany ary lasa mampiavaka azy ireo ny fanaovana azy. Hira miampita no heviny raha ara-bakiteny. Hira mifangaro kosa izy raha ny fanaovana azy no jerena. Fifanojoan’ny fomba kristianina sy ny fomba malagasy no nahateraka ity gadona ity. Fifangaroan’ny voalazan’ny baiboly amin’ny mozika nentim-paharazana mantsy no vontoatin’ny hira atao. Lasa nanenika ny fiainan’ny Betsileo izany nanomboka tamin’izany andro izany. Ahenoana izany avokoa ny fety aman-danonana, any am-piangonana, eny amin’ny asa aman-draharahan’ny mponina.
Teraka ny gadona Zafindraony
Maro ny avy amin’ny foko hafa no nankafy ny gadona Zafindraony. Betsaka ihany koa ireo mpahay kanto, zanaky ny foko Betsileo, no namorona hira ary nanao izany tamin’ny fomba fihirany. Lasa tsy ny baiboly mifangaro fomba malagasy intsony, araka izany, no vontoatin’ny Zafindraony, nisokatra ho amin’ny lohahevitra rehetra. Voatazona hatrany kosa anefa ny fomba fihirana azy, misy ny mpiventy, izay matetika lehilahy, ary misy ny mpamaly, izay matetika vehivavy.
Lin