“Tsotra ny angatahiko ary mba tsy hisian’ny olana eto amintsika: aleo ny vahoaka malagasy mivantana, na amin’ny alalan’ny demokrasia mivantana, handatsa-bato izay hofidiny ho filohan’ny Repoblika”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, i Rivotiana Richard Jean Bosco, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao izay mbola mahabe adihevitra amin’ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana voalohany, amin’ny 9 novambra ho avy izao.
Amin’izay fifidianana izay no mahalala ny rehetra hoe: aiza ny vahoaka malagasy, inona no tian’ny vahoaka malagasy, inona ny lalàna tokony hisy eto Madagasikara? Tsy sahaza na mendrika ny eto Madagasikara intsony amin’izao ny olana na krizy politika, araka ny nambarany. Miteny amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy ny mpitsara rehefa mitsara eny amin’ny lapam-pitsarana. Raha ny solombavabahoaka, ny loholona eny amin’ny parlemanta indray, mifidy lalàna na mandray fanapahan-kevitra noho ny vahoaka malagasy amin’izany. Koa amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao, aleo hifidy malalaka amin’ireo mpirotsa-kofidina eto amin’ny firenena ireo ny vahoaka. Misy amin’izy ireo milaza fa ambadiky ry zareo ny vahoaka malagasy. Koa aleo izay vahoaka izay no haneho ny heviny amin’ny alalan’ny fifidianana.
R. Nd.