Tandindonin-doza ny sehatry ny asa, manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Noho ny tsy fifankahazoan-kevitra sy disadisa eo amin’ny samy mpanao politika, mpifanandrina, hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika izany, raha ny fanambaran’ny Syndicat Autonome eo anivon’ny Kaominina Antanananivo Renivohitra (SACUA), tetsy Antanimena, omaly. « Miantso fifampiresahana eo amin’ireo mpilatsa-kofidina, hahatongavana amin’ny fifidianana mirindra sy milamina aloha, mandritra ary aoriana ka eken’ny rehetra ny valiny», hoy ny filohan’ny sendika, i Nirintsoa Jaona Clément. Miantso fifanantonana sy fifampiresahana ary fifampidinihan’ireo kandidà izy ireo. Tanjona ny hikatsaham-bahaolana tokony horaisina alohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana ao anatin’ny fitoniana tanteraka.
Angatahan’izy ireo ny hanatanterahana izany ao anatin’ny fanajana ny soatoavina malagasy. « Mba hahatongavana amin’ny vahaolana iraisana sy hitondra amin’ny fifanarahana ara-politika ahafahana mametraka fandaminana ho any amin’ny fitoniana sy hitandroana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy», hoy ny filohan’ny sendika SACUA. Ankoatra izay, manentana ny vahoaka malagasy rehetra sy ny sendikà manerana ny Nosy ihany koa izy ireo mba hanohana ny fanambarana nataon’izy ireo.
Mino