Tompon-kazo roa sy mpamily fiara iray voasambotry ny zandary mpanao fisafoana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo Ambatolaona, PK 58, afakomaly maraina. Nanao fisavana tampoka ny fiara sprinter mpitatitra entana ny mpitandro filaminana. Nitondra hazo an-jatony ny fiara ka nanamarina ny karazan’ izany sy ny taratasy nifandraika aminy ireto farany.
Voamarina tamin’io fotoana io fa tsy ara-dalàna ny nitaterana ireo hazo ireo. Anisan’ ny nafangaro tamin’ny hazo ala tao anatin’ny fiara ny hazo voamboana izay tsy nisy taratasy. Mitotaly 116 isa io karazan-kazo sarobidy tratra tao anaty fiara io raha toa ka 84 ny hazo ala. Notanana natao andrimaso avy hatrany ny mpamily ny fiara sy ny tompon-kazo roa. Nogiazana koa ny fiara niampy ireo hazo rehetra notateriny. Ireto entana ireto izay natolotra ny biraon’ny fitalevam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, omaly.
Marihina, mpamily roa sy tompon-kazo iray naiditra am-ponja vonjimaika noho ny tsy fanarahan-dalàna tao Moramanga, ny talata 12 septambra lasa teo. Mitohy ny ady ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ny fandikan-dalàna, mitrandraka hazo tsy ara-dalàna.
Tsiferana R.