Zandriny indrindra tamin’ireo mpifaninana saingy nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy nisy azy i Brayan Ratsivahiny, nandritra ny dingana fahatelo, fifaninanam-pirenena “Run”. Tafiditra ao anatin’ireo hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara, araka izany, izy.
Notanterahina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Base 213 Arivonimamo, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny “Mobile Drag and Relay Race”. Fifaninanana, nokarakarain’ny Run Mada. Nisongadina ny zava-bitan-dRatsivahiny Brayan, vao 15 taona monja, teo amin’ny sokajy zandriny, nandrombaka ny laharana voalohany.
Mpanamorin’ny klioba Run Mada ny tovolahy, nitondra ny fiara Peugeot 205 Turbo S16. Tontosany tao anatin’ny 13 s sy 95 ampahazatony ny halavirana 400 m notontosaina amin’ny dingana dimy. Tsy tanteraka ny farany noho ny fisian’ny loza ka nanapahan’ny Federasiona sport-automobile de Madagascar (FSAM) fa atsahatra ka izay manana fe-potoana tsara tamin’ireo efa vita no ho mpandresy.
Faha-14 i Brayan teo amin’ny filaharana ankapobeny ary faha-4 ho an’ny “Super Run”. Voalohany ho an’ny sokajy rehetra i Herizo Boarilaza (Bobo) avy amin’ny klioba Tasamm, niaraka tamin’ny fiara Mitsubishi Evo 5. Vitany tao anatin’ny 22 s sy 72% ny fifaninanana, tamin’ity. Faharoa, Rafanomezantsoa Jean de Dieu (vazaha), nitondra ny Subaru. 23 s sy 25% ny fotoanany. Randriamifidimanana Laza sy ny Sugar Buggy, no teo amin’ny laharana fahatelo, 24 s sy 37%.
Nosazian’ny federasiona i Jaytaxx, nahatonga ny loza ka nampiato ny fifaninanana mialoha ny fotoana, tamin’ity “Run Mobil Drag and Relay Race” ity. Fifaninanana manaraka ho an’ny Run, ny dingana fahefatra mialoha ny farany, hotanterahina ny 29 oktobra ho avy izao. Hanana ny lanjany izany fihaonana izany satria mety hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny taom-pilalaovana 2023.
Torcelin