Misaona ny tontolon’ny basikety eto Madagasikara. Nodimandry omaly, Razaiarisoa Lalatiana (Lala Mijomba). Mpilalao tao anatin’ny ekipa nasionaly fahiny izy, mpikambana teo anivon’ny ligin’i Boeny, filohan’ny kaomisiona Basikety, vehivavy, ary mpilalao eo amin’ny sokajy Vétérans.
Asief. Hanatanteraka fikaonandoha, any Antsirabe, B ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Hanatsarana ny fifaninanana sy ny fitsipika anatiny ary hanitsiana ny lesoka tamin’ny andiany farany teo ity fikaonandoha ity.
Notanterahina nanomboka omaly, any Fort-Dauphin, ny fampiofanana “Licence C Caf”, taranja baolina kitra. Hampivoarana ny baolina kitra eto amintsika ny anton’ity fampiofanana ity. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), hifarana ny zoma 22 septambra ho avy izao izany.
Hotanterahina manomboka anio ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions 2024 », taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Paris Saint-Germain, klioba frantsay sy ny Borussia Dortmund, klioba alemà. Fihaonana mandroso ho ontosaina ao amin’ny kianjan’ny Parc de Princes, ity atao ity.