Nisokatra nanomboka omaly ny taom-piotazana jirofo ho an’ny taona 2023-2024. Nisy ny lamina napetraka sy atrikasa niarahana tamin’ireo tomponandraikitra sy avy ao
amin’ny distirkan’i Vangaindrano, ny herinandro lasa teo. « Vinavinaina ho tsara ny vokatra jirofo amin’ity taom-piotazana ity satria maherin’ny 4.000 t izany. Vokatra tsara kalitao sy afaka miatrika ny tsena iraisam-pirenena », araka ny fanazavan’ny mpandraharaha iray ao an-toerana. Nivoitra nandritra ny atrikasa fa tsy maintsy ho sarotiny amin’ny fanaraha-maso ny kaominina hivoahan’ny vokatra ny tomponandraikitra samihafa. Asa hifarimbonana miaraka amin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny ao an-toerana. Misy, araka izany, ny sazy ho an’izay mihoa-pefy.
Ratsy ny jirofo ka nahatonga ny savorovoro tao amin’ny distrikan’i Vangaindrano, taona vitsy lasa izay. Noho izany, ho hentitra ireo tomponandraikitra ao an-toerana amin’ny fanaraha-maso ny vokatra. Hisy ny sakana ara-toekarena hapetraka amin’ny kaominina maro, hanamarinana ny tapakila nividianana ny vokatra jirofo.
Mamatsy
Avy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, distrika Vangaindrano, avokoa ny 93%-n’ny vokatra amin’ity taom-piotazana ity raha avy ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Masianaky ny 32%-n’izany tamin’ny taon-dasa. Taham-pamokarana nahafahana nametraka azy teo amin’ny lohalarahan’ ireo kaominina 12 mpamokatra izany, araka ny loharanom-baovao iray. Lohahevitra nandritra ny atrikasa, tamin’ny herinandro teo, ny « jirofo, harena mampiroborobo ny velontena any amin’ny kaominina sy ny faritra ».
Henintsoa H.