Tsenaben’ny tantsaha: hiompana amin’ny famokarana mitodika amin’ny tsena

Hotontosaina ny 28, 29,30 septambra ka hatramin’ny
1 oktobra izao ny tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana
ary ny jono, andiany faha-15, “Foire de l’élevage, de la pêche et de l’agriculture, FEPA”. He­tsika karakarain’ny Malagasy professionnels de l’élevage (MPE) etsy Nanisana. Hison­gadina mandritra ireo fotoana ireo ny vokatr’ireo seha-pihariana ireo sy ny famokarana azo avy aminy. Lohahevitry ny hetsika ny “fananan’asa amin’ ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono”. Maha­tratra 130 ny tranoheva hampiranty ny vokatra sy ny fahaiza-manaony. Sehatra anisan’ ny mbola malalaka sy tokony hampiroboroboina ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono eto Madagasikara. Mite­raka fananana asa izy sady misokatra amin’ny tsena iraisam-pirenena. “Tanjona amin’ izao hetsika izao ny hampiditra ny olona ao anatin’ireo seha-pihariana ireo”, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara. Notohi­zany fa fanampiana ny tan­tsaha ny fanjifana mivantana ny vokatra eny an-toerana.

Toekarena

Maro ny hetsika hisonga­dina mandritra ny efatr’andron’ ny FEPA. Hisy ny valandresaka ataon’ireo orinasa vaventy misehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Ao ihany koa ny resaka famatsiam-bola ho an’ireo fikambanana sy kaoperativana tantsaha ho fampiroboroboana ny seha-piha­riany.

Henintsoa H.

Partager sur: