Tratra nangalatra herinaratry ny Jirama ny tokantrano iray eny Ambohijatovo Ambony, omaly alatsinainy. Maromaro ireo efa tratra ny herinandro teo, toy ny mpanamboatra kodiarana eny Anosizato, ny masinin-kazo iray eny Antohomadinika, sy ny hafa. Mampandre ny mponina ny Jirama, ho sahy hitoroka amin’ny laharana 547, izay mijanona ho tsiambaratelo ny momba azy.
Mampiasa akora fototra sokay (calcaire) amin’ny asam-panodinana ataony ny orinasa Ambatovy. Trandrahiny any amin’ny kaominina Ianantsono sy Salary, faritra Atsimo Andrefana izany. Nidina ifotony nanara-maso ny fitrandrahana ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Atsimo Andrefana. Hita fa voatototra ara-dalàna manaraka ny fenitra avokoa ireo lavaka nataon’Ambatovy.
Tratra tany Ihosy ny zava-maniry jabihy natao tanaty gony 9, ny 9 septambra teo. Zava-maniry tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ny jabihy (Operculicarya decaryi), izay voarara ny fanangonana sy ny fitaterana azy an-tsokosoko.