Atrikasa momba ny fanabeazana : mpisehatra 660 nifanakalo traikefa

Nahafahana nanombana ny ezaka natao tao anatin’ny fanantanterahana ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE 2018-2023) ny atrikasa « revue thématique ».

Natomboka ny taona 2017 ny PSE, ho fanatsarana ny rafi-pampianarana eto amintsika manomboka eny amin’ny akany fibeazana hatramin’ny fampianarana ambony.
Nikarakara ny atrikasa ny fihanaomben’ny mpisehatry ny fanabeazana (PNPSE), nahafahan’ny olona maherin’ny 500 nandray anjara tamin’ny endrika ampitain-davitra sy mivantana ho an’ny mpivory 160, teto Antananarivo, nandritra ny roa andro. Voasolo tena tao avokoa ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, na­hitana ny minisitera telo voakasika, ny firaisamonina sivily ary ny mpanohana ny fanabeazana.
Nisy ny fifampidinihana teo anivon’ny PNPSE ary na­hafahana nitazona ireo lohahevitra maromaro amin’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fiarovana ny miralenta amin’ny rafi-pampianarana sy ny fanabeazana mampiaty eto Mada­gasikara, fandaminana ny tambajotran’ny sekoly teknika sy ny oniversite. Eo koa ny fanapariaham-pahefana, fa­­nombanana ny rafitra andrimpanjakana hitantana ny sehatry ny fampianarana, fa­haretan’ny rafi-panabeazana, manoloana ny fikorontanan’ny toetr’andro.
Tanjona ankapobeny ny famaritana sy famakafakana ny fomba fampiharana ny fanavaozana ankehitriny, mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana nasionaly efa nataon’ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka. Tanjona manokana ny hifampizarana traikefa, hiantohana ny firindran’ny paikady amin’ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena, ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara ary ny fanamarinana ny lohalaharana amin’ny drafitrasa ho an’ny taona 2030, amin’ny alalan’ny LOSEM sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.

Vonjy A.

Partager sur: