CUA – Boriborintany IV : olona 250 nisitraka tolotra ara-pahasalamana

Nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka maimaimpoana ireo mponina avy eny amin’ny Boriborintany fahefatra, omaly. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina.

Notanterahina nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny zoma 22 septambra 2023, eny amin’ny Boriborintany fahefatra, fokontany Mandrangobato, ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) andavanandro izy ity.
Tonga nijery ny hetsika sy nihaino ny fitarainan’ny mponina teny an-toerana, tamin’io fotoana io, Andriantsitohaina Naina, ben’ny Tanànan’ Anta­nanarivo Renivohitra. Araka izany, noraisin’ny ben’ny Ta­nàna manokana ny fikarakarana rehetra ho an’ireo ray aman-dreny izay nitondra ny zanany misy ny aretina “hernie”.
Nampiavaka ity hetsika ity, ny fisokafan’ny fiaraha-miasa vaovao teo amin’ny minisite­ran’ny Fahasalamana sy ny CUA, mahakasika ny ady amin’ny tiberikilaozy. Hisy ny fandraisana an-tanana ireo olona tratran’io aretina io. Ankoatra ity minisitera ity, miaraka amin’ny Distrilab, izay laboratoara mamokatra sy mivarotra ireo fitaovana fitiliana diabeta ny Kaominina.
Raha ny vaovao voaray omaly, mahazo “glucomètre” maimaimpoana, fitaovana ahafahana mijery ny tahan’ny siramamy sy ny fahasalamana, ireo olona izay voan’ny diabeta.
Marihina fa afaka tapa-bolana, eny amin’ny boriborintany fahadimy indray no ha­naovana ity hetsika ity.

Fitia

Partager sur: