Fandrakofana vaovao mandritra ny fifidianana : mpanao gazety 35 manerana ny Nosy miofana eto Antananarivo

Miatrika fiofanana etsy Ankerana, Antananarivo, ireo mpanao gazety 35 (avy amin’ny sehatra samihafa) mane­rana ny faritra maro eto Madagasikara. Maharitra efatr’andro, nanomboka omaly ary hifarana ny zoma izao, izany. Miompana amin’ny fahafahana mandrakotra vaovao ara-drariny sy manaraka ny etika mandritra ny zotram-pifidianana ny fiofanana. Tanjona ny hahafehezan’ny mpanao gazety ny asany, ny fampitana vaovao marina, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Mba hialana amin’ireo vaovao tsy marina sy ny tsaho mandritra izany vanim-potoana izany.
Miparitaka be loatra ny vaovao eto Madagasikara, indrindra amin’ny tambajotran-tserasera. Ny mpanao gazety irery no matihanina amin’ny fikirakirana sy fizarana vaovao marina sy azo antoka ho an’ny vahoaka ka anton’ny fiofanana, raha ny fanazavana. “Zo sy adidin’ny mpanao gazety ny mizara vaovao sy ny zava-misy amin’ny fomba matihanina, tsy manohintohina ny fahalalahan’ny hafa”, hoy ny tale eo anivon’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina. Nam­barany fa malalaka ary adi­din’ny mpanao gazety rehetra ny mitrandraka vaovao sy manaparitaka izany, tsy hahatonga savorovoro sy korontana eto amin’ny firenena. Ho fantatra amin’ny fiafaran’ny fiofanana ny fanambarana mamaritra ny asa andrasana amin’ireo mpanao gazety manaraka fiofanana. Mandri­tra ny fahafahany mandrakotra ara-drariny sy manaraka ny etika momba ny fizotran’ny fifidianana.

Mino

Partager sur: