FANTINA sy FINTINA

Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, hitafa amin’ny vahoaka malagasy anio alina, ny praiminisitra, sady filoham-panjakana miara-mitantana. Handeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM ny resadresaka. Hizara izany koa ny fitaovan-tserasera tsy miankina sy ny tambajotran-tserasera.

Manohitra tanteraka amin’ny heriny manontolo ny finiavana hamboly korontana sy krizy politika vaovao kasain’ny sasany hatao ny antoko Freedom. Ny vahoaka malagasy irery ihany no masi-mandidy, amin’ny alalan’ny fifidianana, hisafidy izay hitondra ny firenena, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana.

Ny vinan’ny filoha Rajoelina tamin’ny taona 2018 no naharesy lahatra ny antoko nanohana azy, araka ny nambaran’ny filoham-boninahitry ny RPSD, i Maroson Evariste. Noho ny zava-misy sy ny antony sa­mihafa, misy tsy mbola vita amin’izany vinan’asa izany na maro aza no efa tanteraka. Ilaina ny fanohizana ny asa.

Aleo hizotra milamina ny fifidianana, fa tsy handeha amin’ny fitiavan-tena. Aleo ny vahoaka malagasy hisafidy izay olona tiany, raha ny fijerin’ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy (MHM), Andriamiarisoa Daniel. Foto-kevitry ny antoko ny fanasoavana ny tanora, ny fanomezana asa, ny fanamorana ny famatsiam-bola ny orinasa…

Partager sur: