Natao ny herinandro lasa teo ny atrikasa nitondrana fanavaozana ny drafitra manokana mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (PCR), ho an’ny faritra Analanjirofo. Nitarika ny asa ny prefen’i Fenoarivo Atsinanana, nandraisan’ireo talem-paritra sy ny lehiben’ny distrika rehetra ary ny solontenam-panjakana isan’ambaratongany anjara.
Fotoana iray nahafahan’ny mpiantsehatra ao an-toerana nanao jery todika ny asa rehetra natao nandritra ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy. Tanteraka nandritra ny atrikasa ihany koa ny fameloma-maso sy fananganana ireo rafitra entina mitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eo anivon’ny prefektioran’i Fenoarivo Atsinanana sy eo anivon’ny distrika rehetra ao anatin’ny faritra.
Tafiditra ho anisan’ny laharam-pahamehana apetraky ny paikadim-pirenena amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny fandrafetana drafitra fiomanana, ho fihatrehana ny loza, izao. Nanohana ny atrikasa ny BNGRC sy ny Unicef izay efa mpiara-miasa rahateo.
Vonjy