Ilakaka : lehilahy hita faty notapahin-doha

Nihoron-koditra ny rehetra nahita ny lehilahy iray hita faty tao amin’ny kariera Ilakaka, fokontany Manombo, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Raha ny tatitra nampitain’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ilakaka, avy any Sakaraha ny fiavin’ilay lehilahy niharam-boina fa mpiavy ihany izy no tao Ilakaka. Tonga afakomaly izy ka ao amin’ny nenitoany no mivantana. Voalaza fa misy mangahazo tokony hamidin’izy ireo. Nifampiresaka tamin’ ny nenitoany izy fa hoe ho any amin’ny namany tamin’ny afakomaly alina. Noho ny tsy fandriampahalemana miseholany ao an-toerana anefa, tsy navelan’ny nenitoany nivoaka ny trano intsony tamin’io hariva io raha tsy omaly maraina tamin’ny 4 ora. Lasa tokoa izy tamin’ny 4 ora maraina. Hatairana anefa ny an’ireo mponina ao an-toerana raha nahita ny faty tao amina kariera iray. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary nanao fizahana ny razana ka voamarina tamin’ny akanjony izy. Tsy teo amin’ny vatany intsony ny lohany. Nanao fanarahan-dia ny zandary ao Ilakaka ka efa misy olona ahiana ho tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao. Nanamafy rahateo ny zandary fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana izy ireo.

J.C

Partager sur: