INDRAY MIJERY

Mbola manan-kery ny filazana fampitandremana miloko mena, anio, eo anelanelan’i Besalampy sy Vangaindrano noho ny ranomasina hahery be. Tomba­nana hahatratra hatramin’ny 5,5m ny haavon’ny onja manomboka eo Morondava hatrany Taolagnaro, manodidina ny 3m kosa ny eo anelanelan’i Besalampy sy Morondava sy ny any Taolagnaro hatrany Vangaindrano.

Ivontoeram-panofanana tsy miankina niorina sivy taona lasa ny Maison familiale rurales. Enina ny isan’ny MFRs ao amin’ny faritra Sava ary ny dimy amin’izy ireo no notolaran’ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa, Vavitsara Rahanta­nirina Gabriella, fankatoavana ara-panjakana ny fiandohan’ny herinandro teo.

Tokantrano ao amin’ny fokotany Sakamasay, kaominina Ankilizato, no noraisina anarana voalohany amin’ny fandraketana ny rejisitra sosialy tokana tao amin’ ny distrikan’Ampanihy sy Betioky, ny faran’ny herinandro teo. Nanokatra izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Patricia.

Natao ny sabotsy teo, tetsy 67ha, ny fivoriamben’ ny fikambanan’ny maintimolalin’ny YALI eto Madagasikara. Vita tamin’izany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha, Andriamiarana Nathan, sy ny filoha vaovao, Rakotoharimalala Mirado, izay hitantana ny fikambanana mandritra ny roa taona manaraka.

Partager sur: