Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra am-ponja ny jiolahy iray nanao fivadiham-pitokisana sady nangalatra tao an-tranon’ny mpampiasa azy, tao Mananara Avaratra. Saron’ny polisy ny 17 septambra 2023 teo ity jiolahy ity. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy ny renim-pianakaviana iray noho ny halatra niseho tao an-tokantranony. Very tamin’izany ny moto, bisikileta ary kojakojan-dakozia. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy taorian’ny fitarainan’ny voatafika. Nanao ny fikarohana sy ny fanangonana ireo loharanom-baovao ny polisy ka nahafahana namantatra ny trano ipetrahan’ity jiolahy ity. Tonga teny an-trano fonenany ny polisy tamin’io fotoana io. Tratra tao an-tranony izy. Rehefa nosavaina ny tranony, hita tao avokoa ireo entana halatra avy nangalariny. Anisan’izany ny moto iray marika Honda 125 Cc, latabatra, seza ary bisikileta miaraka amin’ireo kojakoja fampiasa andavanandro. Rehefa natao ny famotorana, fantatra fa mpiambina ao amin’ny trano fonenan’ilay vehivavy nametraka fitoriana ihany izy. Nilaza izy fa ny 16 septambra alina no nanatanterahany io halatra io. Naverina amin’ny tompony avokoa ireo entana halatra rehetra. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Efa teo am-pikasana hitady mpividy ireo entana izy no tonga tampoka ny polisy.
J.C