Noho ny antony maro: tsy raikitra ny « Angaredona »

Tsy ilay «angaredona » miloko politika akory no resaka! Tsy raikitra ny «An­ga­redona Mozika Festival» amin’ity taona ity. « Aleo ahemotra amin’ny taona ho avy ny andiany faha-18. Fanam­afisa­na ny fanapahan-kevitra efa noraisinay izy ity, satria maro ny antony  manelingelina ny hetsika. Santionan’izany fotsiny ny fotoana izay efa tapaka tamin’ny volana novambra 2022, kanefa dia anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fifidianana ka tsy mety », hoy ny nambaran-dRajery.
Nisy ny fanamafisana ny fanambarana izay nataon’ny komity mpikarakara ny « Fes­tival Angaredona », omaly. Nampahafantarana ireo mpanakanto izay efa nivononona, ireo mpankafy ary ireo mpiara-miombon’antoka izany. « Aleo maka bahana dia manomana tsara amin’ny taona 2024 satria hisy koa ny zava-baovao hoentina anatin’ny Anga­re­dona », hoy hatrany Rajery.
Tsiahivina fa ity mpanakanto ity no tompon-kevitra sady mpitarika ny komity mpikarakara ny hetsika, hanandratana ny mozika miaina, izay efa miditra amin’ny andiany faha-18 izao. « Festival » efa manana ny lazany ary mivelatra hatrany, tsy ho mena-mitaha amin’ireo an­draisan’ny Malagasy mpanakanto anjara any ivelany ny « Angaredona ».

ZonyAina

Partager sur: